Fundraising 2012/Translation/Isaac appeal/fr

From Meta, a Wikimedia project coordination wiki
This page is a translated version of the page Fundraising 2012/Translation/Isaac appeal and the translation is 100% complete.

Banner


  • Antson'ny mpandray anjara
    amin'i Wikipedia Isaac Kosgei

Appeal

Avy amin'ny mpandray anjaran'i Wikipedia Isaac Kosgei

Ho an'ny olon-drehetra ny fahaizana, na dia tsy afaka mampiasa ny aterineto aza. Ankehitriny, manana ordinatera ny ankamaroan'ny sekoly any Kenya, fa mbola betsaka amin'ireo no tsy mbola manana Aterineto, indrindra indrindra eny amin'ny toerana ambanivohitra.

Amin'izaho mpandray anjara eto amin'i Wikipedia, ny fizarazarana ny endrika offline an'ny rakipahalalana Wikipedia ny zava-bitako goavana indrindra. Izay endrika offline izay dia endrika ara-tsoratra izay azo ampiasaina na dia tsy manana Aterineto aza.

Amin'ny alalan'ny fitateram-bahoaka ary amin'ny alalan'ny taxi, ordinatera finday ary "projecteur", mitety ny fianarana rehetra ao Keny izaho sy ny namako.

Apetrakay eo amin'ny ordinateran'ny sekoly i Wikipedia ary atoronay an'ny mpampianatra ny fampiasana ilay tetikasa. Manao fanolorana izahay ho an'ny sekoly manontolo amin'ny alalan'ny projecteur ary koa milaza ny mahalehiben'I Wikipeida.

Maro dia maro ny fiainan'ny ankizy voaova noho ny fisian'ilay tetikasa hoy ny mpampianatra, ary ankehitriny izy io manova ny fianarana ao Kenya. Matotra ny mpianatra ary misaotra anay amin'izay nataonay.

Misaotra an'i Wikipedia — ary ny lalana andehanana amin'ny bus be vovoka — fa afaka mampiasa ny raki-pahalalana lehibe indrindra eto Tany ireo mpianatra. Ho ahy, izay no zavatra tsara indrindra efa nitranga.

Rehefa manome an'i Wikipedia ianao, manova izao tontolo izao ianao. Misaotra ianao indrindra.

Isaac Kosgei
Mpianatra amin'ny varotra ary mpandray anjara amin'i Wikipedia