Jump to content

Paikady/Hetsika Wikimedia/2018-20/2019 Resadresaka miaraka amin’ny Vondrom-piarahamonina/Hasivana sy Fahasamihafana (Diversity)

From Meta, a Wikimedia project coordination wiki
This page is a translated version of the page Strategy/Wikimedia movement/2018-20/2019 Community Conversations/Diversity and the translation is 100% complete.

Fomba fijery

Inona no faritra tadiavinao?

Fahasamihafana sy ny fiantraikan’ny fitongilanana kolonialy sy aorian’ny fanjanahantany ao amin’ny Wikimedia, ny miralenta sy ny solontena, ny solontenan’ny vazimba teratany, ny fanehoana ara-jeografika, ny fiteny, ny mpihaino vaovao ary ny fanilikilihana ara-tantara ny vondrona isan-karazany. Ireo lohahevitra tsirairay ireo dia mandinika lafin-javatra sy toetra samihafa — toy ny taona, ireo vahoaka voazanaka, olona manana fahasembanana, foko, miralenta, vazimba teratany, olona avy amin’ny firenena vao misandratra, mpiteny fiteny samihafa, sns. — izay voasakana ara-dalàna na ara-tsosialy tsy afaka nandray anjara na voakasiky ny fandraisany anjara amin’ny fanehoana ny fomba fijeriny sy ny fahalalany ao anatin’ny fahalalana iombonana. Ahitana ihany koa soso-kevitra momba ny fomba ahafahan’ireo mpandray anjara ao amin’ny hetsika manampy amin’ny famahana ireo tsy fahampiana ireo.

Talk

Inona no zava-misy ankehitriny?

Ny fiantraikan’ny fanilikilihana maneran-tany dia namela tsy fifandanjana ao amin’ny tantara iombonana. Nandritra ny tantara, ny rafitra misy fahefana sy ny fanjakazakana dia nampangina ny feo samihafa ary namorona tsy fitoviana eo amin’ny fahalalantsika ireo zava-nitranga sy olona namolavola izao tontolo izao, ary koa eo amin’ireo rafitra ampiasaintsika hampielezana izany fahalalana izany. Olana mahazatra manerana ny hetsika Wikimedia rehetra, na dia tsy voafetra amin’izany aza, ny famoronana votoaty izay heverina ho mahazatra ny lahy ary ny maha-izy hafa rehetra dia heverina ho maningana; ny kolontsaina sy fomba amam-panao vazimba teratany izay esorina na dinihina amin’ny fomba fijerin’ny “avy any ivelany”; ny traikefan’ireo vahoaka voazanaka izay aseho ho mitovy amin’ny an’ireo mpanjanaka azy; ny traikefan’ny olona manana fahasembanana, ny zokiolona, ny vondrom-piarahamonina LGBT sy vondrona hafa izay aseho ho fiovana amin’ny “mahazatra”, sns.

Araka ny World Wide Consortium, efa ho 54 % amin’ireo tranonkala manodidina ny 10 tapitrisa dia voasoratra amin’ny teny anglisy. Io fiparitahana io dia mifandray amin’ny toromarika ara-tsosialy sy ara-toekarena maneran-tany ary ny fiparitahan’ny teny anglisy ao anatin’ny kolontsaina tandrefana. Vokatr’izany, ny fandraisana anjara amin’ny hetsika Wikimedia dia mitaky fahaizana anglisy avo lenta (ohatra: hetsika lehibe Wikimedia, lisitry ny mailaka, rafitra fitantanana, sns.). Ny fiteny manana mpiteny maro eran-tany (toy ny Arabo, Espaniola, ary maro hafa) dia tsy voasolo tena araka ny tokony ho izy ao anatin’ny Hetsika, na eo amin’ny votoaty izany na eo amin’ny fomba fandraisana anjara. Ny ankamaroan’ny fiteny eran-tany dia tsy mamokatra lahatsoratra siantifika, votoaty multimedia, na akory aza boky vita pirinty. Misy fiteny sasany izay fiteny am-bava ihany, ary ny sasany indray, na dia azo soratana aza, dia tsy manana rafitra fanoratana voafaritra tsara. Olana sarotra iray hafa ihany koa ny tsy fahampian’ny fahalalan’ny olona momba ny Wikipedia. Any amin’ny firenena tandrefana, avo ny fahafantaran’ny olona ny Wikipedia eo amin’ny mpampiasa aterineto, raha mifanohitra amin’izany kosa any amin’ny firenena vao misandratra. Noho izany, na eo amin’ny fandraisana anjara na eo amin’ny votoaty, dia misy tsy fitoviana mifanaraka amin’ny haavon’ny fahafantarana. Araka ny antontan’isa tamin’ny 2018 avy amin’ny fikarohan’ny Wikimedia Foundation, any Etazonia sy Frantsa dia 87 % sy 84 % ny fahafantarana ny Wikipedia. Mifanohitra amin’izany kosa, Meksika, Nizeria, India, Brezila ary Iràka dia 53 %, 48 %, 40 %, 39 % ary 25 % tsirairay avy araka izany. Nihatsara ireo tarehimarika tamin’ny 2018 tany amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana raha oharina amin’ny teo aloha, noho ny fampielezan-kevitra nataon’ny vondrom-piarahamonina Wikimedia tao anatin’ny roa taona talohan’izay. Ohatra, tany Nizeria dia 23 % ihany ny fahafantarana tamin’ny 2017.

Ny vokatr’ireo olana ireo dia nitarika fahatsapana malalaka fa misy elanelana lehibe eo amin’ny votoaty sy ny fandraisana anjara ataon’ny vehivavy — izay iray amin’ireo olana tena misongadina noho ny ezaka maneran-tany maro natao hampahazava sy hampihena izany — ireo vazimba teratany, ireo vondrom-piarahamonina avy amin’ny Global South, ireo olona tsy miteny fiteny lehibe, sy ny maro hafa. Ireo olana ireo dia efa hita hatry ny ela ary mahazatra amin’ny rakipahalalana rehetra, boky fianarana, ary amin’ny fanoratana ny tantara amin’ny ankapobeny izay efa nisy talohan’ny hetsika Wikimedia. Ny tsy fisian’ny fidirana sy fahafahana mitovy dia mbola misy fiantraikany amin’ireo vondrona efa voahilikilika, satria mbola tsy ampy ny fahalalana sy fahatakarana ny kolontsainy, ny tantarany ary ny fandraisany anjara, ka izany indray dia manakana azy ireo tsy afaka mandray anjara feno ao anatin’ny fiarahamonina misokatra.

Talk

Nahoana no toy izany?

Ny fahasamihafana dia lohahevitra tena midadasika, mandrakotra saika ny lafiny rehetra amin’ny fiainana. Ny fitadiavana ny fifandanjana eo amin’ny sehatra misokatra, ny fitongilanana rafitra (systemic biases), ary ny politika mifototra amin’ny fahasamihafana dia fanamby lehibe. Ny tetikasa Wikimedia dia efa lasa mari-pamantarana hita maso amin’ny fahalalana marina sy azo itokisana, miaraka amin’ny fisokafana ho foto-kevitra fototra. Na izany aza, ilaina ny mitandrina mba tsy hahatonga ireo tetikasa samihafa ho fitaovan’ny kolontsaina manjaka sy ny rafitra fahalalana manjaka. Ny fanomezana lanja be loatra ny teny anglisy dia mampiditra fitongilanana ara-rafitra ao amin’ny asan’ireo mpandray anjara ary mamorona zava-misy manilika ho an’ny fiaraha-miasan’ny olona, vondrona, ary hetsika eo an-toerana sy ivelan-toerana amin’ny fianarana sy fizarana fahalalana.

Na dia tsy azo tanterahina aza ny hevitra momba ny fahalalana tena tsy mitanila sy manerantany tanteraka, dia fantatsika fa ny fiteny, ny fiaviana, ny taona ary ny kolontsaina dia manefy izay fantatsika sy ny fomba ahatakarantsika izany. Raha mifantoka amin’ny fitantarana avy amin’ny fahalalana mahazatra sy ny tontolo akademika ny hetsika Wikimedia, dia voahilika sy mangina ireo vondrona voahilikilika, ary vao mainka mitoka-monina. Mbola ratsy kokoa aza, ny tantarany dia tantaraina amin’ny feo tsy tena azy, avy amin’olona hafa.

Ny Vondrona momba ny Fahasamihafana dia nandinika ny fomba ahafahana mijery indray, manitsy na mampihatra politika sy fomba fiasa mba hiantohana ny fampidirana ireo vondrona samihafa, hampidirana mpandray anjara ao anatin’ny tontolo iray mampiroborobo ny fiaraha-miasa, ary hanitarana ny fidiran’ireo mpandray anjara amin’ny mpihaino midadasika kokoa. Fantatray fa mety ilaina ny karazana loharano samihafa mba hanehoana araka ny tokony ho izy ireo olona sy kolontsaina voahilikilika ara-tantara ao anatin’ny tanjon’ny Wikimedia. Ny fanontanianay dia mikendry ny hiantoka fa ny fahasamihafan’ny fahalalana ao amin’ireo tetikasa rehetra dia hitarika amin’ny fanamafisana sy fanomezana lanja sehatra fahalalana misy dikany sy mahasoa.

Talk

Fanontaniana lehibe

Inona avy ireo fanontaniana lehibe ao anatin'ny sehatry ny vondrona miasa?

Afaka mametraka ve isika fa ny vondrom-piarahamonina tsirairay dia tsy maintsy manana fitsipi-pitondran-tena (code de conduite) izay miantoka ny fampidirana ny fahasamihafana? Ahoana no hisehoan’ny fanoloran-tena amin’ny fahasamihafana ao anatin’ny rafitra fitantanan’ny fikambanan’ny hetsika, amin’ny fifandraisana ampahibemaso, ary amin’ny fanehoana ao amin’ny tambajotra sosialy? Ahoana no hanovantsika ny kolontsainay sy ny sehatra fiaraha-miasa, ao anatin’izany (fa tsy voafetra amin’izany) ny lahatsoratra, ny adihevitra ankapobeny, ny pejin-dresaka, ary ny Commons, mba hanohanana ny solontenan’ireo mpandray anjara sy mpanoratra samihafa, ary koa ny famaritana ny loharano azo itokisana sy ny tsy fitanilana, mba hananganana tontolo azo antoka ahafahan’ny rehetra (vondrona vitsy an’isa/tsy voasolo tena/tsy ampy solontena/vondrona mahazatra sy kolontsaina) tafiditra sy mahita ny fahalalany aseho ary afaka miresaka malalaka momba ny tenany? Ahoana no hisorohana ny fandrika “recentism” (fifantohana be loatra amin’ny zava-mitranga vao haingana), amin’ny alalan’ny fampiasana tambajotran’ny zokiolona, ny tambajotra LGBT, ny tambajotran’ny vehivavy, ny vondrom-piarahamonina vazimba teratany, sns., mba hampivelarana mpilatsaka an-tsitrapo ho mpanoratra, mpamorona rindranasa (developers), ary mpanangona antontan-kevitra, hahitana sy hitahirizana ny tantara iombonana miafina? Inona avy ireo fepetra mahomby tokony horaisina amin’ny ho avy mba hahafahan’ny vondrom-piarahamonina midadasika kokoa mampiasa fiteny hafa ankoatra ny anglisy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra, ka hanafoanana ny fepetra takiana amin’ny fahaizana anglisy ho ampahany amin’ny vondrom-piarahamonina mpanapa-kevitra? Inona avy ireo dingana tokony horaisin’ireo mpandray anjara mba hiantohana ny fahasamihafan’ny fiteny manerana ireo sehatra samihafa (fiteny, teknolojia, interface, ary fikambanana ho an’ny fikarohana, teknolojia am-bava sy hita maso), mba hanohanana ny fandraisan’anjaran’ny fiteny isan-karazany araka izay tratra, ary koa ireo olona manana fahasembanana ara-batana sy ara-tsaina ao anatin’ny hetsika? Mahatakatra ve ireo mianatra (indrindra ny ankizy sy ny tanora) ny votoaty aseho ao amin’ny tetikasantsika, ary misy amin’ny fiteny ampiasainy amin’ny fianarana ve izany fahalalana izany sa amin’ny sehatra ampiasainy? Mahasarika ve izany ho an’ny fizotry ny fianarany sy ny fitaovana famakiana (ohatra: taranaka izay mianatra bebe kokoa amin’ny alalan’ny horonan-tsary amin’izao fotoana izao)? Ny fampidirana ireo vondrona voahilikilika ara-tantara ve dia mitaky ny handinihan’ireo mpandray anjara indray ny fitsipika Creative Commons amin’ny alalan’ny fampidirana fahazoan-dàlana “No Derivative Works (ND)” sy “No Commercial Works (NC)” (ary koa fanovana amin’ny fitsipika momba ny maha-zava-dehibe sy ny famaritana ary fampiasana loharano hafa), mba hanamora ny “fahamarinan’ny feo” an’ireo vondrona izay voasakana hatry ny ela tsy hiteny ny tantarany? Inona avy ireo fahaiza-manao tokony hampivelarina ao anatin’ny hetsika mba hiatrehana ny fihenjanana mety hitranga noho ny fitomboan’ny votoaty/fahalalana avy amin’ireo vondrom-piarahamonina samihafa ao amin’ny sehatra Wikimedia? Ahoana no hampitomboana ny fahafantarana any amin’ireo faritra tsy dia mahalala loatra, mba hiantohana ny solontena ampy, na eo amin’ny isan’ny mpilatsaka an-tsitrapo na eo amin’ny habetsahan’ny votoaty? Satria matetika ny asa an-tsitrapo dia ataon’ireo manana tombontsoa, tokony hanomboka hanome valisoa ara-bola na tambiny ve ny Wikimedia Foundation ho an’ireo olona manokana fotoana betsaka amin’ny hetsika?

Talk

References