User:JianJi
Appearance
(Redirected from User:ZoAndriamifidisoa)
| User language | ||
|---|---|---|
| ||
| Users by language |
Salama, noho ny antony tsy takatry ny mpanoratra, tsy hoe nisy nanakana na hoe fihoaram-pefy fa mety ho olana ara-pifandraisana angamba dia tsy tafiditra tao amin'ny kaonty AndriamifidisoaZo tamin'ny voalohany, saingy eto no miezaka mitozo!
- Teratany malagasy monina eto Madagasikara aho. Tia sy mandala ny teny malagasy sady te-hampivoatra azy ihany koa mba haharaka ny vanim-potoana. Izay antony izay angamba no iray amin'izay nampazoto ahy hifarimbona amin'ny famenoana votoaty, sy hanatsara ny endrika ity tranonkala ity raha azo atao sy takatry ny saina ny fandrafetana azy, mba hahafinaritra ny mamaky azy.
- Hitako ny fahabangana lehibe tao amin'ny efemerida, dia nezahina ny hametaka ny biriky tsirairay, ny datin'andro tsirairay izany, mba ho feno ilay 365/366 andro. Tafapetraka ny biriky fa ny ao anatiny kosa arafitra isan'andro. Miezaka ny hampivonona ny lahatsoratra roa andro mialoha ny datin'andro itsahina. Tsy vitan'olon-drery io fa dia mandrisika antsika rehetra handray anjara.
- Raha ny andron'ny 24 marsa 2026 no nanombohako nameno tsikelikely ny famakiana ny efemerida dia ny andron'ny 01 avrily 2026 no nahafeno ny biriky araka ny voasoratra etsy ambony. Ny famenoana ny ao anatin'ny biriky tsirairay no heverina ho lavorary ao anatin'ny herintaona.
- Ny tranonkala anglisy, frantsay, alemàna, pôrtiogey, espaniola, shinoa, holandey no tena nanovozana ny dikanteny hamoahana azy amin'ny teny malagasy. Manaraka izany ny an'ny japôney izay tena mifantoka amin'ny vaovao ao anatin'io firenena io, somary manahirana fa efa nahitana daty diso, mety ho olana amin'ny daty angamba, noho izany mila hamarinina amin'ny pejy hafa ny avoakany. Sarotra kosa ny maka ny amin'ireo rosiana sy okrainiana ary grika fa toa misy andro mifandiso izany noho ilay an-dry zareo fanisanandro joliana angamba nefa ny antsika efa fanisanandro gregôriana. Ny arabe indray moa tsy misy horaisina ny mpanoratra moa ny datin'andro koa mety misy olana mitovy amin'ny an'ireo firenena tatsinanana manaraka ny andro joliana toy ny ôrtôdôksa.
- Vinavinan-tetikasa faharoa ihany koa ny tetikasa mbola ketrehina wikinews izay nadikako hoe wikimbaovao[1] amin'ny teny malagasy. Raha mijery ireo wikipedia amin'ny fiteny hafa isika dia iray amin'ny zoro efatra eo amin'ny pejy fandraisana ny vaovao, ny antsika mbola tsy mijoro fa ny solony io mbola hitantsika hoe "Ny vaovao" io. Edit: indrisy moa fa nesorina, na tsy hohavaozina intsony ny vaovaon'ny wikinews. Tsy hay izay ho solony fa efa solony ve ireo hita amin'ny pejy hafa ireo?
Raha misy moa ny tian-koresahina na holazaina dia aza misalasala manontany ao amin'ny dinika. Azo atao ihany koa ny manontany raha misy tokony ifanampiana amin'ny fanabeazam-boho ny teny. Mbola lavitra ny lalantsika ary be ny tokony ho atao saingy tsy mety moa ny manao letrezana, tsy maintsy atao tsikelikely ny zavatra rehetra mba hiorina tsara.
Mirary soa ho antsika rehetra ary mazotoa mba ho tsara ity andro ity!