Fundraising 2012/Translation/Impact Of Wikipedia Video (subtitles)/mg

From Meta, a Wikimedia project coordination wiki
This page is a translated version of the page Fundraising 2012/Translation/Impact Of Wikipedia Video (subtitles) and the translation is 100% complete.

00:00:00.000,00:00:05.000 Wikipedia dia tsy manangona tombony, fa anefa tranonkala fahadimy eto amin'izao tontolo izao izy io. Olona mitolo-tena daholo no nanoratra ny lahatsoratra eo amin'i Wikipedia

00:00:06.000,00:00:11.500 Tianay atolotra anao ny sasany amin-jareo...

00:00:12.000,00:00:13.000 Avy any Nepala aho

00:00:13.100,00:00:14.000 Avy any Iràka aho

00:00:14.100,00:00:16.000 Avy any India aho

00:00:16.001,00:00:17.000 Izaho dia avy any Byram, New Jersey

00:00:17.100,00:00:18.000 Izaho dia monina any Birmingham, Englanda

00:00:18.100,00:00:22.050 Chicago, Illinois -- La Paz, Bolivia -- Nairobi, Kenia

00:00:22.051,00:00:24.000 Kuala Lumpur, Malaizia -- Milan any Italia -- Afrika Atsimo

00:00:24.100,00:00:26.100 Polonia -- Japana -- Armenia

00:00:26.200,00:00:28.000 Brazila -- Rosia -- Botsoana

00:00:28.001,00:00:30.500 Israely -- Ozbekistana -- Hong Kong

00:00:30.501,00:00:31.000 Istanbul -- Mexico

00:00:31.001,00:00:32.000 Chattanooga, Tennessee

00:00:33.000,00:00:38.000 Tamin'izaho nanomboka nanoratra teo amin'i Wikipedia tamin'ny 2008, betsaka ny lahatsoratra nosoratako.

00:00:38.100,00:00:44.000 Ny iray tamin'ireo dia lahatsoratra momba ny vehivavy izay manana anarana Mariam Nour

00:00:44.100,00:00:48.000 Tsy nanana lahatsoratra momba azy isahay, ka -- iny no lahatsoratro voalohany.

00:00:48.100,00:00:52.500 Adinoko ilay izy avy eo! Dia angamba roa na telo taona tatỳ aoriana,

00:00:52.600,00:00:57.000 Tonga teo amin'ilay lahatsoatra aho. Tena gaga aho.

00:00:57.100,00:01:02.000 Olona mahery ny iray hetsy no efa namaky ilay lahatsoratra.

00:01:02.100,00:01:08.000 Nampiasa azy zareo, izany hoe nahazo fampahalalana avy amin'io lahatsoratra io. Nandalo tamin'ilay lahatsoratra izany zareo.

00:01:08.100,00:01:15.000 tsapako arak'izany fa nanana fianjadiana amin'ny olona mahery ny iray hetsy aho.

00:01:15.500,00:01:19.000 Tena natahotra be aho tamin'izaho nanindray ilay 'hanova' voalohany indrindra.

00:01:19.100,00:01:24.000 Hoy aho tao an'eritreritra : "Andriamanitra ô, ho simbako daholo ity ! Tsy vitako ny manao izany !"

00:01:24.100,00:01:29.000 Wikipedia dia 'open source' -- izay hahafahan'ny rehetra manampy ny heviny

00:01:29.100,00:01:34.000 ary avy eo, misy olon-kafa tonga ary manatsara izay hevitra izay.

00:01:34.100,00:01:40.500 Isaina amin'ny arivo ireo olona miasa isan'andro, isak'ora, isa-minitra eo amin'i Wikipedia mba hanatsara azy.

00:01:40.501,00:01:44.000 Betsaka ny mitolo-tena. Fomba fitoloran-tena iray io.

00:01:44.100,00:01:49.000 Izy io dia mampihaona ny mpanao arak'asa ary ny mpanao ara-pitia eo amin'ny lohahevitra iray

00:01:49.100,00:01:54.000 Manomboka miara-miasa ireo olona izay nanana hevitra samihafa tamin'ny voalohany.

00:01:54.001,00:01:58.500 Tazonin'ny mpitolo-tena ohatra ahy

00:01:58.501,00:02:01.000 izay mety heverinao fa tantanan'ny orinasa Aterineto lehibe.

00:02:01.100,00:02:05.000 Tsy afaka miteny ianao hoe "Marina aho, diso anao, io ny fijeriko momban'ilay lahatsoratra!"

00:02:05.100,00:02:07.000 Raha misy fijery mitongilana,

00:02:07.100,00:02:11.000 dia mety efa misy olona nilaza ; raha tsy izany dia izaho no milaza.

00:02:11.000,00:02:13.000 Olona aman-ketsiny no mahita izany

00:02:13.001,00:02:15.000 ary mitsara azy

00:02:15.001,00:02:16.400 Dia nopotsiriko ilay bokotra dia

00:02:16.401,00:02:19.600 Boom - Nanomboka ilay dia, ary nahafinaritra.

00:02:19.601,00:02:21.000 'Vinavina' no lahatsoratra nitomboako voalohany

00:02:21.001,00:02:24.000 'Vinavina' no lahatsoratra natomboko voalohany.

00:02:24.001,00:02:26.000 Ny lahatsoratra tena nosoratako teo amin'i Wikipedia dia

00:02:26.001,00:02:27.400 lahatsoratra momban'ny ratra vokatry ny antsy.

00:02:27.401,00:02:29.000 Izaho dia manoratra momban'ny fanjonoana amin'ny lalitra,

00:02:29.001,00:02:32.000 Tantaran'i Montana, Tantaran'ny valam-pirenena, Yellowstone.

00:02:32.001,00:02:36.100 "Underutilized crops". Mpilalao eseky. Fahasamihafana ara-java-boahary

00:02:36.101,00:02:39.100 Tantara ara-tafika. Tantara armenianina. Tantara Romana.

00:02:39.101,00:02:42.100 Mpitsara. Fifandraisana. Biografia. Baolina kitra.

00:02:42.101,00:02:45.901 Irlandy. Pennsylvania. Sary indrindra indrindra.

00:02:45.901,00:02:47.600 Pink Floyd. Patiseria, satria dia manao mofomamy aho.

00:02:47.601,00:02:50.200 Fitaovam-piadiana niokleary ary radioaktivity,

00:02:50.201,00:02:52.000 ary kayak eny amin'ny rano fotsy.

00:02:52,201,00:02:56.000 Hita daholo ny fampahalalana fa saingy izy miparitaka fotsiny

00:02:56.001,00:02:59.000 ary izahay dia mametraka azy eo amina toerana iray.

00:02:59.100,00:03:03.000 Manome fahalalana ho an'ny rehetra izahay,

00:03:03.101,00:03:07.000 amin'ny fiteniny mba hahafahany mampiasa azy.

00:03:07.501,00:03:11.000 afaka manan-tombontsoa avy aminy ny tsirairay, na manan-karena izy na mahantra.

00:03:11.001,00:03:16.000 Samihafa ny tanjona ary ny ilan'ny orinasa manangom-bola.

00:03:16.500,00:03:22.000 Tsy mangataka karama na inona na inona avy amin'ny Wikimedia Foundation aho, ary tsy misy ampandoaviko akory ny sarako.

00:03:22.001,00:03:25.500 Heveriko fa zava-dehibe ny fahafahako milaza azy mazava tsara,

00:03:25.501,00:03:30.500 Jereo tsara fa rehefa mangataka vola aminao aho, tsy mangataka vola ho an'ny tenako --

00:03:30.501,00:03:36.000 mangataka vola aminao aho ho an'ilay fikambanana (Foundation), izay ekipa manohana ity fikambanana lehibe ity izay ikambanako.

00:03:36.501,00:03:41.400 Heveriko fa nanome ahy ny vintana hanova izao tontolo izao i Wikipedia.

00:03:41.401,00:03:48.000 Izy io dia ohatry ny famatsiana ho an'ny hoavinao, ho an'ny hoavin'ny zanakao.

00:03:53.401,00:03:57.000 Misaotra indrindra

00:04:00.000,00:04:03.000 Ny votoatin'ity horonantsary ity dia manana ny lisansa Creative Commons Attriution-ShareAlike License v3.0 (http://creativecommons.org/licenses/by-sa/3.0) raha tsy misy zavatra hafa voalaza. I Victor Grigas, avy amin'ny Wikimedia Foundation, no tompon'ity horonantsary ity. Ny hevitra voalaza ato amin'ity horonantsary ity dia ny hevitr'ireo olona izay miseho, ary tsy mitaratra ny fijerin'ny fikambanana na ny orinasa izay ikambanan'ilay olona. Ny birendy ary ny logon'ny Wikimedia Foundation ary ny fikambanana hafa dia tsy mitondra ny loisansa Creative Commons. Ny birendy ary ny logon'i Wikimedia, izay ahitana an'i "Wikipedia" ary ny logo glaoby piozila, dia birendy napetrak ny Wikimedia Foundation. Ho an'ny fampahalalana fanampin, vangio ny pejy mikasika ny politikan'ny birendy : http://www.wikimediafoundation.org/wiki/Trademark_Policy, na mifandray amin'ny alalan'ny adiresy trademarks@wikimedia.org.

00:04:03.000,00:04:05.000 Ity horonantsary ity dia navoaka araka ny voalazan'ny lisansa Createve Commons.

00:04:05.001,00:04:09.000 Ohatran'i Wikipedia, azo atao ny mandika, manova ary mizara azy ampahafahana.