Stewards/elections 2010/Guidelines/mg

From Meta, a Wikimedia project coordination wiki
Cette page guide au travers du processus de candidature les utilisateurs qui veulent aider la Wikimedia Foundation en tant que steward. Veuillez lire chaque section dans l'ordre.

Mandatsa-bato[edit]

Mila mameno ireo toetra ireo ianao mba afaka mandatsa-bato :

  • Manana kaonty tsy voasakana amin'ny Meta (ity wiki ity) sy amin'ny wiki rehetra
  • Eo amin'ny wiki izay iasanao :
    • Manana fanovana mahery ny 600 alohan'ny 1 Aogositra 2009;
    • Nanova in-50 anelanelan'ny 1 Aogositra 2009 sy ny 31 Janoary 2010;
    • Tsy rôbô.

Raha afaka dia jereo eo amin'ny "jereo faha afaka mametraka kandidatiora.

Mpandika teny[edit]

Misaotra manampy aho mandika ireo pejy ireo amin'ny fiteninareo :

Soson-kevitra[edit]

  • Raha tsy manam-pilazana momban'ny fifidianana steward ny wiki iavianao, apetraho any amin'ny toerana iraisana tsara isiany ity fampahalalana ity mba hampahazoto ny olona handray anjara. Raha izany no atao, misaotra mametraka rohy mba afahan'ny mpandray anjara mijery raha te-handray anjara izy.
  • Mahazo mametraka dinika na resaka amin'ny latsabatonao ianao (andininy iray na mahery). Ny resaka lava loatra dia mety voaova (akelezina), voakisaka na voafafa ; aza adino mametraka hafatra eo amin'ny pejin-dresaky ny niresaka taminao, mba ho fantany fa misy zavatra vakiana.

Kandida[edit]

Farafara ilaina[edit]

Marino alohan'ny fametrahana ny kandidatiora raha mameno ireo fara ireo ianao :

  • Manaiky hanaja ny fitsipiky ny steward ianao.
  • Manana kaonty global (jereo SUL)
  • Manana kaonty miasa eto amin'ny Meta ianao
  • Mandray anjara matetika amin'ny tetikasan'i Wikimedia Foundation nandritry ny telo volana farany teo ianao.

(Azonao jerena eto raha afaka atao kandida ianao.)

Miampy amin'izany, noho ny fampahalalàna azo fantatry ny steward sy ny lalàna mikasika ny informatika, ny fahalalahana sy ny zavatra tsy sarababem-bahoaka, mila :

  • Feno 18 taona alohan'ny faran'ny latsa-bato ;
  • Vonona manome ny tena anaranao sy fotokopia kara-panondronao na pasipaoronao any amin'ny Wikimedia Foundation.

Tsara miteny fiteny maro ny steward : tsara izany raha miteny fiteny maro ianareo, satria miasa anaty tetikasa miteny fiteny isan-karazany ny fototr'asan'ny steward. Aza dia ampiasaina loatra any amin'ny tetikasa tena ianana ny fitaovana, mba tsy hisy tsi-fifanarahana, ary mba tsy hisy « fialonana ». Tokony manaraka sy manampy ny mpikambana tonga eto amin'ny Meta ny steward (ho an'ny fanovana ny satan'ny mpikambana, fampahalalana momban'ny mpikambana, era ...). Raha mampiasa IRC ianao, makanesa any amin'ny #wikimedia-stewardsconnect any amin'ny freenode mba hamaly ny fangatahana.

Amin'ny farany, esorina ny fahefana ananan'ny steward raha tsy miasa izareo.

Kandidatiora[edit]

Raha te-ho kandida ianao, araho ireo dingana ireo.

Amboary ny pejy andatsahana vato ho anao[edit]

  • Manamboara zanapejy iray

  • Fenoy amin'ireo fampahalalana ireo ny pejinao:
    • Ny tena anaranao (tsy voatery apetraka);
    • Rohy makany amin'ny kaontinao eto amin'ny Meta, sy rohy iray hafa makany amin'ny pejinao any amin'ny tetikasa iasanao.
    • Lisitra ny fiteny azonao soratana sy azonao vakiana, ampiasao ny endrika babel ho an'izany.
    • Soraty ny famintiana ny fandraisan'anjaranao tao amin'ny tetikasa wikimedia, ny antony . Lazao koa raha manana sata borokraty na mpandrindra. Soraty ao izay hitanao tsara soratana ; lazao koa raha miasa amin'ny famaliana imalaka (OTRS) na miasa any amin'ny komitin'ny arbitra. Azonao jerena ny zavatra soratan' olon-kafa raha ohatra ka tsy mahita izay soratana
  • Amboary amin'izany ny pejy fandatsaham-batonao -tsy mila fanovana manokana, amboary fotsiny ilay pejy)

Porofo[edit]

Mila omena alohan'ny 1 Febroary ny porofom-pamantarana (pasipaoro, karapanondro).

Vakio Steward handbook/email templates (amin'ny fiteny anglisy) ho an'ny toromarika.

Antsoy i Cary Bass (mpiasan'ny Wikimedia Foundation) ho an'ny fampahalalana ilaina aminn'y fampiasana Special:Emailuser/Cary Bass.